Hampandriana fahalemana : Nasiam-panavaozana ny PPA Antaniavo

Nasiam-panavaozana sy fanitarana ny Poste de police avancé Antaniavo. Taorian’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa, notokanana ny sabotsy 31 oktobra 2026 teo izany. Poste de police avancé izay fanomezana avy amin’ny FCRA, na tamin’ny fanorenana manontolo na tamin’izao fanitarana sy fanavaozana izao. « Ny fandriampahalemana dia miainga amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny rehetra. Manana andraikitra amin’izany ny olona rehetra. Ny polisim-pirenena kosa, manana adidy amin’ny fitandroana ny filaminana”, hoy ny Commissaire divisionnaire de police, Rafalimanana Alain Adonis, DRSP Analamanga. Nambarany fa matoa atao amin’ny faritra somary mafana ny Poste de police iray dia tsy hoe filaminam-bahoaka fotsiny fa eo koa ny « police judiciaire » mendrika, manadihady sy manolotra ny fitsarana izay olona ratsy.
Nandritra izany, nanolotra moto miisa roa ho an’ny PPA Antaniavo sy ny Poste de police Andakana ny FCRA. Nambaran’ny DRSP Analamanga hatrany fa anisan’ny manafaingana ny vonjy taitra sy ny antso vonjy ataon’ny olona sy hanafainganana ny fijerena ny toerana izay misy sakana ny fahazahoana fitaovana tahaka izao.

Mino

Partager sur: