Tsipy kanetibe : Miandry ny Federasiona ny fifindran’i Tiana kely ao amin’ny Decines

Mbola eo am-piandrasana ny taratasy fifindrana avy amin’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM) i Tiana kely, amin’izao fotoana izao. Hifindra ao amin’ny klioba Decines ity Malagasy mpilalao ity, ny taona ho avy io.

Nambaran’ny filohan’ny klioba UBMT, Ratsim­baharison Luc, omaly, teny Ankatso, fa misy mpilalao telo ao amin’izy ireo halain’ny klioba Decines France, tao­rian’ny vokatra azon’izy ireo nandritra ny “Tournée Esti­vale” farany teo. Rehefa nisy ny fifampiresahana teo amin’ ny klioba roa tonta, nangataka io klioba any ivelany io ny mba handefasana mialoha an-dRakotoniaina Faratiana na i Tiana Kely.
Hatramin’ny omaly, tsy mbola naharay taratasy fifindrana misy ny sonian’ny mpitantana ny Federasiona ma­lagasin’ny tsipy kanetibe FSBM i Tiana Kely. Raha ny fanazavana nataon’ny filohan’ ity klioba ity, nahazo valin-teny roa avy amin’ny rafitra federaly ity mpilalao ity rehefa nanao izany fangatahana izany.
Voalohany, tsy afaka mi­findra an’elanelam-potoana ny mpilalao iray, araka ny lalàna misy, fa afaka mifindra kosa izy amin’ny taom-pilalaovana manaraka. “Tsy izany anefa no ilainay fa ilay dingana arahina ahafahan’i Tiana milalao any amin’ny taona 2027, ilay taratasy fifindrana amin’izao”, hoy hatrany ity mpitantana klioba ity.
Faharoa, tsy afaka manome taratasy fifindrana ny Federasiona raha tsy manana ilay fahazoan-dalana hivoaka ara-talenta, “visa talent”. No­marihiny fa ilay taratasy fifindrana avy amin’ny Federa­siona no ahafahana manamboatra ilay “visa talent”. Mam­pametra-panontaniana azy ireo ny hoe: “ahoana ny ahafahana manao izany raha tsy mahazo ilay taratasy fifin­drana izahay?”

“Sady tsy mandà no tsy manaiky…”

Rehefa nanontaniana ma­hakasika ity raharaha ity ny filohan’ny FSBM, nilaza fa tsy mbola nanda ary tsy mbola nanaiky, izany hoe, tsy mbola nanome valinteny mazava izy ireo. Nohamafisiny fa mbola miandry ny antontan-taratasy rehetra ahafahana mandinika ilay fifindrana izy ireo, amin’ izao fotoana izao. Nomarihiny fa tsy manakana ny fandehanan’ny mpilalao hilaravinahitra any ivelany ny Federasiona raha toa ka feno tsara ireo taratasy ilaina momba izany.

F.R

Partager sur: