1 000 mahery ny mpikamban’ny KMF/Cnoe, mpirotsaka an-tsitrapo, manara-maso ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny KMF-Cnoe, Arcelio Tolojanahary Avisoa, teny Antanimena, omaly, ny amin’ny hoe tsy fisian’ny antoko politika sy ny fiarahamonina sivily ao amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE).
Andraikitry ny antoko politika ny manentana ny vahoaka hisoratra anarana anatin’ny lisi-pifidianana, hoy ny filohan’ny Ceni. Zara raha misy antoko politika lehibe miditra any anaty vaomiera fanisana mpifidy, hoy hatrany ny nambarany.
Nanokatra ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive pour l’entretien des fonctionnaires), tany Manakara, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nambarany fa mariky ny firaisankinan’ny mpiasam-panjakana manerana ny Nosy izao hetsika izao. Nanomboka ny 23 aogositra, hatramin’ny 5 septambra izao, ity fifaninanana ity.
Namoaka ny valin’ny didim-pitsarana mahakasika ny fangatahana fandravana ny antenimierampirenena nataon’ny antoko Kintana, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, omaly. Tsy azo raisina ity fangatahana ity, araka ny didim-panjakana, laharana faha-72.




