« Festival Tria Tria »: Manoka-dalana ho an’ny namany i Big Mj

« Allô antsika handeha Antalaha », hoy ny teny filamatry ny hetsika. Hisokatra anio, ka tsy hifarana raha tsy ny 31 aogositra izao, ny « Festival Tria Tria », any Antalaha. Toy ny isan-taona, manome sehatra ireo mpanakanto zanak’Antala­ha sy ny Faritra Sava, mitovy aminy, i Big Mj, izay tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana. Niantso ihany koa ireo efa malaza toa azy mba hifampizara mozika any an-toerana, mandritra ny hefarana. Hifandimby an-tsehatra ry Tiji Negga, Majhil, Zandry Ahmed, Madmax, Anatal, Yes Gah, Naimah, Oress, Anicette, Lowis, Rim-Ka, Majesty, LC Barbo Jalengo, Ckycky, Rodman, Ngiah Tax, Kesy, Jerry Marcoss, Stella Lyncha, Tukson, Dino, Tiji, Melo ary i Big Mj, mazava ho azy . Izany no ho tanteraka noho ny fanohanana lehibe nataon’ny Orange Madagascar sy ny Orange Money, amin’ny maha orinasa mpanohana ny zavakanto azy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: