TARATRY ny KANTO

Sehatra Ba gasy volana septambra. Hisesy ny hetsika ho fanandratana ny kanto. Ny alarobia 2 septambra izao, raikitra ny famerenan-kira miaraka amin’ny «Guide piano» Tsiadana. Zoma 4 septambra, hiroso avy hatrany amin’ny fandraisam-peo ao amin’ny Studio Maxon, eny Analamahitsy. Ny sabotsy 5 septambra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany hariva, ao amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro Antsahavola, atrikefa bagasy «Ala vizana». Hira homanina amin’izany: «Io fitiavana io» (A.Ratianarivo), «Very vakana» (N.Rabemanan­tsoa), «Raha migaina» (J.Rajoro).

Miankina amin’ny vanim-potoana na ny lamina voajanahary eo amin’ny fizaran-taona ny asan’ny mpihiragasy. Mbola vitsy ny Malagasy no mahalala azy io. Amin’ny ankapobeny, manana asa aman-draharaha roa sahanina ny mpihiragasy. Rehefa ao anatin’ny ririnina, manafàna ireo fomba amam-panao tahaka ny famadihan-drazana sy ny didim-poitra izy ireny. Rehefa mirotsaka kosa ny orana, mamboly eny an-tsaha ry zareo. Tahaka izany hatrany isan-taona.

Tsy misy mitantara intsony ny angano? Fahiny, ny renibe no mitantara angano. Tao amin’ny ankohonana no nanatanterahina izany. Ankehitriny, zara raha misy iray na roa sisa ny tokantrano ahenoina ray aman-dreny mitantara ny anganon’Ikotofetsy sy Imahaka, Ifaramalemy sy Ikotobekibo, sns. Satria, tsy mahay ilay angano? Tsy mahafantatra ny lanjan’ny kabary eo amin’ny fanabeazana ny maha olona? Mila fanarenana goavana ny lesoka. Ny fanahy sy saina mitahiry, ny vava mitantara, ny fo mieritra. Ireny no ilaina fa tsy avadika « dessin animé », akory, ny angano, satria, izay no takin’ny fandrosoana.

Partager sur: