Fahadimy ny Akomba Madagasikara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Afrique Australe), taranja tenisy, sokajy U12. “Vokatra mahavelombolo na lesoka aza ny tsy fahampian’ny fifaninanana”, hoy i Aina Rafolo, mpanazatra ny ekipa.
Gazety Taratra (*): Fahadimy ny Akomba nandritra ny “Afrique Australe” taranja tenisy U12. Fahitanao ny vokatra amin’ny maha mpanazatra ny ekipa.
Aina Rafolo (-): Tena tsara raha fahadimy amin’ireo firenena 12 nifaninana tatsy Maputo. Mahay ireo mpilalaontsika saingy lesoka ny tsy fahampian’ny fifaninanana. Raha ny fahalalako azy, herintaona tsy nandray anjara ny U12 nefa tafiditra “Top 5”. Raha mahazo “tournoi” misimisy izany ireo, mino aho fa anisan’ireo telo voalohany aty Afrika.
*Fifaninanana tsy misy magrebianina. Azo hitarafana ny haavon’ny fihaonana ve?
– Ambony be ny lentan’ny fihaonana satria tao i Afrika Atsimo sy i Zimbabwe izay efa manana ny toerany aty Afrika. Ry zareo, manao “tournoi” isan-kerinandro. Ireo koa no tena mpifanandrina nifampitana tamin’ny Malagasy. Tsy misy elanelany be ny fahaizana fa tombony ho azy ireo fotsiny ny fahazarana miatrika fifaninanana.
*Ankoatra ilay tsy fahampiana fifaninanana, inona koa ny olana hitanao?
– Ny tena olana, noho isika Nosy sady mitokana. Raha mijery ny fandaharam-potoan’ ny Federasiona iraisam-pirenena (ITF) izao isika, betsaka ireo fifaninanana hatao any Afrika Atsimo hahazoana isa sy filaharana eo amin’ny ITF. Raha te hamonjy ireo isika, mila mandeha fiaramanidina. Mitaky vola sy enti-manana izany. Ry zareo afrikanina mifanakaiky eo, mandeha fiarakodia dia tonga any.
*Dingana manaraka ho an’ny Akomba.
– Efa manao fangatahana handray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “ITF U14” ny Federasiona. Efa fanombohana tsara izany amiko. Isaorako mihitsy izy ireo satria tena faty antoka ho an’ireo mpilalao ny tsy fiatrehana fifaninanana karakarain’ ny ITF.
Dinika nangonin’i Torcelin




