Dingana tsara ny fikaonandoham-pirenena, saingy tsy nahavaha ny krizy politika ny fikaonandoham-pirenena natao teto Madagasikara hatramin’izay, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fahefa-mividy no ilain’ny Malagasy (FMI), Ratsietison Jean Jacques. Efa nisy fanapahan-kevitra voaomana mialoha hatrany. Irariana mba tsy hitovy amin’izany izay hatao amin’ izao, ary tokony ho voasolo tena amin’izany ny sokajin’olona rehetra.
Tsy ho ampy ny fito volana hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenana, hoy ny mpitarika ny vovonana RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard. Na izany aza, azo atao tsara ny manafaingana izany hanatrarana ny fe-potoana. Rehefa natomboka ny eo amin’ny sehatra nasioanaly, tokony ho notomboka
koa ny any amin’ny Faritany: iza no mpikarakara any amin’ny Faritany, Faritra, distrika, kaominina? Mila apetraka mialoha ny rafi-pitantanana rehetra.
Mila apetraka ny fiantsoana ny olona eny anivon’ny fokontany, araka ny fijerin’ny eo anoivon’ny vovonna Firaisankina, voafidy tany Faratsiho, Vakinankaratra, Ramilison Nomenjanahary. Mba handray anjara amin’ny adihevitra eny anivon’ny kaominina, izay rafitra farany ambany, hitondrana ny adihevitra. Tsy hisy fakan-kevitra eny amin’ny fokontany, fa tsy maintsy manatona eny amin’ny kaominina izay manan-kevitra eny amin’ny fokontany.




