Tontosa tany amin’ny Kianja mitafon’i Mahajanga, ny alarobia lasa teo, ny dingana manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy U15, zazalahy. Adin’ny samy ekipan’ny zandarimaria (GNVB) ny famaranana. Raha hiverenana, resin’ny GNVB 1, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/11 ; 25/7 ; 27/25) ny MVBC. Tsy niady ny fihaonana fa nanjaka tokana ireo mpilalaon’ny zandary. Nanatombo teo amin’ny lafiny rehetra izy ireo, na tanjaka na paikady.
Ny GNVB 2 indray nanilika ny AMVB, tamin’ny seta 3 no ho 1. Fihaonana nahafinaritra ireo mpijery. Nahitana endri-dalao niavaka satria samy naneho ny fahaiza-manaony avy ny andaniny sy ny ankilany. Lasan’ny zandary ny seta voalohany (25/20). Niezaka avy eo ry zareo AMVB ka nosahalainy ny seta, rehefa azony tamin’ny isa 26/28. Seta, nampitsanga-mitoetra ny rehetra. Toy izany koa ny seta fahatelo izay nifanakaiky hatrany, saingy lasan’ny zandary, tamin’ny isa 25/23. Tsy niady intsony kosa ny seta fahefatra izay niafara 25/9.
Tompondaka




