Ny faramparan’ny volana septambra no hiatrika ny lalao roa tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny toerana hiatrehana ny Can 2027 ny Barean’i Madagasikara. Hanafika any Nigeria, eo amin’ny andro voalohany, ary handray an’i Tanzanie, ao Maroc, ho an’ny andro faharoa.
Araka ny fampahafantarana hita omaly, tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hotanterahina ny 25 sy ny 29 septambra ho avy izao ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara. Fihaonana mandroso, tafiditra ao anatin’ny andro voalohany sy faharoa, hiadian-toerana ho an’ny Can 2027.
Fihaonana voalohany, ny fifandonana amin’ny Super Eagles, Nigeria. Hampiantrano ny Barea ao amin’ny Kianja Godswill Akpabio International Stadium ao Uyo, ry zareo Nigeria, ny zoma 25 septambra, manomboka amin’ny 8 ora alina, ora eto Madagasikara. Ny lalao faharoa dia ny fandraisan’ny Barea an’i Tanzanie. Tsiahivina fa efa nambaran’ny filohan’ny Federasiona, Randriamanampisoa Alfred, fa any Maroc ny hanaovana io lalao io, noho ny tsy mbola fahazoan’ny Kianjaben’Imahamasina fankatoavana avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa) sy ny kaonfederasiona afrikanina (Caf). Hatao ao amin’ny Stade d’honneur de Meknès izany, ny talata 29 septambra 2026, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ora eto Madagasikara.
Tsy mbola afaka hahita mivantana ny Barea indray izany ny Malagasy tia baolina kitra amin’ity. Fahavoazana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy anefa ny tsy filalaovana eo amin’ny kianjany. Samy vahiny amin’ny kianja, ao Maroc, avokoa mantsy na ny Barea na ry zareo Tanzanianina, eny fa na efa niatrika fihaonana maromaro tany aza ny Barea, hafa ihany ny milalao eo an-jaridaina.
Ankoatra izay, andrasana fatratra ny ho firafitry ny lisitry ny Barea, antsoin’i Martins, mpanazatra, ho amin’ireo lalao ireo. Ny azo antoka aloha, hisy mpilalao vaovao ho avy, araka ny fanadihadiana natao.
Tompondaka




