Fitsaboana nentim-paharazana : Ampiasain’ny ankamaroan’ ny Malagasy

Nomarihina omaly, tetsy amin’ny Plan Anosy, ny Andro afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana. Hetsika iray natao hampiroboroboana ity fitsaboana iray ity. Tsy lefy laza ny fampiasana azy, raha eto Madagasikara. Mampihatra izany amin’ny andavanandro ny 80% ny Malagasy, ankehitriny. Azo lazaina ho fitsaboana manakaiky ny mpiara-belona izy io ka antony mahasarika ny maro. Tsy an-tery anefa fa safidin’ny olona izay mahay azy ny fampiasana azy ireny. Amin’ny ankapobeny, niainga tamin’ny fahalalana sy fahaiza-manao nolovaina, mifantoka amin’ny fampiasana akora natoraly sy voajanahary ity fomba ity. Nifantoka tamin’ny fampifandraisana ny fahalalana, ny porofo ary ny asa, entina manosika ny fitsaboana nentim-paharazana ny hetsika fanamarihana. Marihina fa mifanampy amin’ireo fitsaboana hafa ny nentim-paharazana. Mba hisorohana ny aretina ary hanatsarana ny tontolom-pahasalamana. Nambaran’ny Tale jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana, Dr Tombofeno Vagnono Jorondraza Jean Marc, fa eken’ny fitondram-panjakana ny Fitsaboana nentim-paharazana. Tonga nanokatra izany, teny an-toerana, ny tenany, nisolo tena ny minisitry ny Fahasala­mam-bahoaka. Nahitana tranoheva miisa 10, nampiranty mahakasika vokatry ny fitsaboana nentim-paharazana sy ireo fanafody vita avy amin’ny akora natoraly sy voajanahary teny an-toerana. Nandray anjara tamin’izany ny Cimopar-NHGS, ASTS (Association sanitaire des tradipraticiens de santé de Sambirano), ny Interpharma , GNAPMC , Salama, Dicopro Phagi, ANTM, Zingapharma, IMRA ary Homeopharma.

Mino

Partager sur: