Mouvement pour la Différence (M4D) : Manentana ny mpiray ombon’antoka hanohana

Hitodika kokoa amin’ny fanomezan-danja ny fahasamihafana sy ny fanajana ny zo fototra ny paikadin’ny Mouvement pour la différence (M4D) ho an’ny efatra taona manaraka.

Araka ny andininy voalohany (1) ao amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, manamafy ny fitoviana sy ny zo ho an’ny rehetra ny M4D. Miady izy ireo ny mba tsy hiteraka fanilihana ny fahasembanana, ny toe-tena varira, ny fahasamihafan’ny rafitra ara-tsaina…
Tokony hampiharina andavanandro amin’ny dingam-piainan’ny olona miaina miaraka amin’ny fahasembanana sy ireo mpanampy mikarakara olona manana fahasembanana ny fitoviana, ny fahasamihafana ary ny fampiatiana.
Dieny mbola kely, manome fandraisana an-tanana mialoha hitiliana ny olana eo amin’ny zaza ny Maison de l’autisme eto Antananarivo. Foibe manana ny fahaiza-manao mifandraika amin’izay. Mandritra ny androm-piainana, zava-dehibe ny fanajana ny zo. Anisany ny fisitrahan’ny olona manana fahasembanana zo sy fahasalamana ara-pananahana. Efa manana ny Mallette SSR, ampiasain’ny mpisehatra rehefa miasa eny an-kianja, ny fikambanana. Endrika iray isehoan’ny fampiatiana ny fampiroboroboana asa miteraka loharanom-bola ho an’ny olona miaina miaraka amin’ny fahasembanana, hanomezana azy fahaleovantena sy fivelarana eo anivon’ny fiarahamonina. Tao anatin’ny 10 taona nijoroany, miezaka manapariaka ireo fototra ireo ny fikambanana 800 mi­vondrona ao anatin’ny M4D hanova ny foto-pisainana.
Ilana fanohanana ny fanatanterahana ny asa ka ma­nen­tana ireo rafitra samihafa ny fikambanana hifarimbona hahatonga ny paikady ho vo­katra mivaingana ho an’ny olona manana fahasembanana. Misehatra amin’ny faritra 10, ahitana sampana tsirairay ny fikambanana amin’izao fotoana. Anisan’ny nampivoatra ny fahafantarana sy ny fa­hatsapan’ny fiarahamonina ny fahasembanana sy ny fahasamihafana ny fipariahan’ny fi­kambanana tany amin’ny faritra.

Vonjy

Partager sur: