Fitsaboana nentim-paharazana aty Afrika : Mbola mila fitaizana sy fanabeazana ny Malagasy

Aty Afrika, iray amin’ireo firenena mbola mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana ny Malagasy. Lova rahateo io ho azy. Na izany aza, noho ny zava-nisy, mbola mila fitaizana sy fanabeazana ny Malagasy.

Nomarihina, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana afrikanina. Raha ny voarakitry ny tantara, iray amin’ireo firenena tsy nisaraka tamin’ny lamina voajanahary ny Malagasy. Anisan’ireny ny tontolon’ny fahasalamana sy ny fitsaboana. Ananan’i Madagasikara rahateo ireo akora fototra, toy ny raokandro hoenti-manatanteraka izany.
Hatramin’izao, anefa, mbola mila fitaizana sy fanabeazana ny Malagasy. Ny mponin’ny tanàn-dehibe no tena isongadinan’izany. Olona matahotra sy be ahiahy sao dia… Menatra sy toran-kovitra. Tsy mahafantatra sy tsy ma­halala na raokandro iray aza. Manafangaro ny fitsaboana nentim-paharazana amina finoana na fivavahana nentim-bahiny, sns. Olana mianjady amin’ny fampiasan’ny Mala­gasy ny fitsaboana nentim-paharazana avokoa ireo.

Miainga any amin’ny fototra

Beazina hahalala ny mom­ba ireo fitsaboana nampiasain’ny razany ny Malagasy. Miainga any amin’ny fototra tahaka ny ankohonana, fiarahamonina, any an-tsekoly, sns. Omena lanja ny sehatra ahafahan’ny Malagasy mampiasa sy mianatra momba ny fitsaboana nentim-paharazana. Anisan’izany ny toeram-pitsaboana isan’ambaratonga sy sokajy.
Na eo aza ireo fiovana nentin’ny vahiny sy ny teknôlôjia, tezaina miandalana sy mafonja ao anatin’ny fahafantarana ny momba azy ny taranaka Malagasy. Ampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny fampitam-pahalalana momba ny raokandro. Ny fampiasana azy ireny mba hanala ny tahotra sy ny ahiahy ary ny honohono. Adidy lehibe ho an’ireo raiamandreny sy ireo « mpahalala » ny fanatanterahana izany. Mila finiavana sy fitiavana, fahendrena sy faharetana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: