Sazy avy hatrany no ampiharina ho an’ireo tsy refesi-mandidy eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Ankoatra ny sazy dia eo koa ny lamandy izay tafakatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ariary.
Rehefa natao ny fanentanana sy ny fialana nenina rehetra nandritra ny taona maro sy fotoana lava dia miroso amin’ny fampiharana ny sazy sy ny fandoavana lamandy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ankehitriny.
Hentitra manomboka izao ny kaominina amin’ny fampanarahan-dalàna ka hampihatra amin’izay ny sazy ho an’ireo mbola minia mandika izany na amin’ny fahadiovana io na amin’ny filaminan’ny tanàna.
Mihatra avy hatrany ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana. Ny brigade mixte, sahanin’ny polisy monisipaly sy ny fitaleavana momba ny rano sy ny fidiovana no hitaky ny lamandy ho an’izay mandika lalàna. Hihatra manomboka ny 4 septambra izao izany fanasaziana izany.
Manaraka ny lamina mipetraka ny tokantrano rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Tokony hanana toeram-pivoahana avokoa ny toeram-ponenana rehetra. Tokony hovoakojakoja izany. Tsy azo atao latsaky ny 3 m miala ny sisin-dalam-bahoaka na ny faritry ny tanàna mifanila amin’ny trano fivoahana ivelan’ny trano fonenana ny toeram-pivoahana. Araka ny voarakitry ny CMH, andininy faha-10, dia lamandy 50 000 Ar no aloa raha tsy voahaja ireo.
Tsy hitsitsy amin’ireo mpivarotra amoron-dalana
300 000 Ar ny lamandy ho an’ireo mbola tratra mivarotra amoron-dalana manelingelina ny lalam-bahoaka. Na nahazo alalana amin’ny tomponandraikitra aza dia voararan’ny lalàna ny fivarotana entana ivelan’ny toerana voatokana na ny tsena. Voarara, araka izany koa, ny famatsiana entana ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana ireo. Lamandy hatramin’ny 1 000 000 Ar no aloa amin’ny CUA amin’izany fandikan-dalàna izany.
Manomboka izao dia tokony halalaka, araka izany, ny lalam-bahoaka raha voahaja araka ny toky nomen’ny CUA ity fampiharana sazy ity. Tsy nandaitra ny fanentanana ka heverina fa ny fampiharana ny sazy no hanafay ireo tsy manara-dalàna sy zatra gaboraraka.
Tatiana A




