Fampiatoana mpitsaran’ny Pac: ”Tsy mitombina ”, hoy ny sendika (SMM)

Mangataka ny hanafoanana ny didy fampiatoana ny mpitsara telo eo anivon’ny Pac ny sendika. Nambaran’izy ireo fa tsy mitombina ny anton’ny fanapahan-kevitry ny minisitera.

Niroso tamin’ny fanadihadiana ny biraon’ny SMM, araka ny fanambaran’ny Sendikan’ny mpi­tsara eto Madagasikara (SMM) teny Anosy, omaly. Mano­loana ny fampiatoana amin’ny asany ireo mpitsara telo teo anivon’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), Anta­nanarivo, ny 28 aogositra lasa teo izany. Tsikaritra araka ny tatitra fa ny antony nampiatoana azy ireo, dia heverina fa tsy mitombina noho ny toromarika miendrika teritery. Tsapa fa misy fikasana hanodina ny fizotran’ny raharaham-pitsarana. Nefa tsy misy firaketana an-tsoratra nahazoana manamarina ny fisian’ny baiko avy amin’ny lehibe ara-pitantanana.
“Tsiahivina fa anton’ny fampiatoana azy ireo ny filazana ho tsy fanajana sy tsy fankatoavana ny ambaratongam-pitantanana sy ny fandaozana andraikitra ary ny fikoron­tanan’­ny fizotran’ny raharaham-pitsarana. Izay he­verinay sendika fa tsy manaraka ny sata mifehy ny asa”, hoy ny SMM.
“Mila manao fanamarihana am-bava na an-tsoratra ny mpitsara voakasiky ny fampiatoana mialoha ny fanapahan-kevitra fampiatoana”, hoy ny fanazavan’ny filohany, Andri­an­tsihorisoa Mbitanarivo, ny amin’izany. Tsy nisy izay fampiantsoana na fanazavana tamin’ireo mpitsara. Tao ana­tin’­izay no nipoiran’ny olana, tsy avy amin’ireo mpitsara izany fa avy amin’ny lehibe isan’ambaratonga. Ny minisitry ny Fitsarana no lehiben’ny fampanoavana eto Madaga­sikara. Noho ny tsy fanajana an’izay, lasa any amin’ny mpi­tsara no miantefa ny olana. Rehefa mangataka asa hatao ny mpitsara eo anivon’ny fampanovana, tokony hisy baiko an-tsoratra mazava na izay fomba hahitana soritra izany mba hahazoan’ny mpitsara miasa. Misy tsy fitovian-kevitra ny mampifandrirotra, efa tany amin’ny faran’ny volana jolay. Ny sata vaovaon’ny mpitsara no ijoroan’ny SMM amin’izao.

R. Nd.

Partager sur: