Fanomanana ny fifidianana: hanomboka anio ny dinika fakan-kevitra

Mikarakara dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana ny fiadidiana ny Fana­vaozana ny Repoblika. Eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, manomboka anio 1 septambra hatramin’ny 8 septambra izao izany. Heri­nandro hakàna ny hevitr’ireo antoko politika, vondron’antoko, fikambanana sy fiarahamonim-pirenena mpanara-maso fifidia­nana ary ireo hery velona isan-tsokajiny, izy ity. Hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny fikarakarana fifidianana eto Madagasikara izany.
Masontsivana takina haha­fahana miatrika izany ny fananana taratasy avy amin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fi­tsinjaram-pahefana milaza ny maha ara-dalàna azy ireo, ho an’ny antoko politika sy vondron’antoka politika. Toraka izany ihany koa, mila manana taratasy avy amin’ny Vao­mi­eram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni)  ireo fikambanana sy fiarahamonim-pirenena. Tsia­hivina fa efa tamin’ny 30 aogositra lasa teo no azo ny fanasana ho an’ ireo handray anjara amin’ity dinika fakan-kevitra ity. Tan­jona ny hihainoana ny hevitry ny daholobe mba ho fifidia­nana eken’ny rehetra no hi­tranga eto Madagasikara,
amin’ny taona 2027.

Mi.Raz

Partager sur: