Tselatra

Jiolahy telo indray voasambotry ny polisy avy amin’ ny CSP4 Isotry ny zoma 29 aogositra 2026 lasa teo. Nifanehitra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily nanao fisafoana tamin’ny alina izy ireo. Tra- maraina teny Manarintsoa Afovoany ny roa, tratran’ny fokonolona namaky trano teny Antohomadinika, ny harivan’io ny lehilahy iray hafa. Notanana hatao fanadihadiana izy ireo ary hatolotra ny Fampanoavana rehefa vita izany.
Lehilahy iray 32 taona, mpivarotra rongony, voasambotry ny polisy tany Fianarantsoa, ny 30 aogositra 2026 lasa teo. Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisim-pirenena momba ny fisiana lehilahy iray mivarotra rongony eny Anendaka Antanànambony Fianarantsoa. Nidina teny an-toerana ny Polisy ka tratra io lehilahy io niaraka tamin’ny fonosana rongony miisa efatra.
Tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany ny zazavavy 14 taona izay nanaovana ombay mitady tamin’ny alalan’ny petadrindrina sy ny tambajotra. Niala tao an-tranony, ny sabotsy 22 aogositra 2026 izy ary nilaza handeha any amin’ny fianakaviany eny Ambohimanarina. Tsy tonga tany anefa ity zazavavy ity. Tany amin’ny olon-tiany izy nandritra izay fotoana izay.
Mangataka ny hampiharana ny lalàna faran’izay henjana ho an’ireo olona voarohirohy sy voampanga tamin’ny famonoana olona miisa roa tany Mandazaka ny fianakaviany. Tsiahivina fa raim-pianakaviana sy olona iray mpiara-miasa taminy no nisy naka an-keriny tany an-toerana. Nitakin’ireo olon-dratsy vola mitentina 20 000 000 Ar ny fianakavian’izy ireo. Novonoin’ireo jiolahy anefa ireo azo babo ka maty.

Partager sur: