Zava-dehibe ho an’ny sehatry ny fahasalamana ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao nataon’ny FAO sy ny ACSSQDA. Fotoana nanamarihina ireo vokatra lehibe azo tao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa TCP/MAG/ 4001 no natao.
Niompana tamin’ny fomba fanaraha-maso ny kalitaon’ny sakafo, na eto an-toerana na ireo avy any ivelany, mba tsy hitera-doza ho an’ny fahasalaman’ny Malagasy ny atrikasa.
Araka ny lalàna manan-kery, ny ACSSQDA no misahana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny asa fanadihadiana momba ny kalitao sy ny fiarovana ara-tsakafo eto Madagasikara. Voakasik’izany avokoa na ny vokatra eto an-toerana na ireo avy any ivelany. Mandray anjara amin’ny fitiliana ihany koa izy raha misy tranga ahiahina ho fanapoizinana ara-tsakafo.
Nitsidika ny laboratoara fitiliana sakafo ny tomponandraikitra, nandritra ny atrikasa. Nijery ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana. Natao hamoaka vokatra manaraka ny kalitao iraisam-pirenena ny fitaovana ampiasaina.
Nisy koa ny fampitaovana ny toerana ka nahazoana ireo kojakoja hanatsarana ny fitiliana. Ankoatra izany, eo koa ny fanofanana ireo teknisianina ao amin’ny laboratoara eto Antananarivo sy Toamasina, izay nifantoka tamin’ny Iso-17025. Toy ny teknika fakana sy fandinihana ny “mycotoxine” sy ny “vanilline” ary ireo fomba fanao mifandraika amin’ny fitrandrahana sy fanadihadiana ara-tsiansa.
Tatiana A




