Nahazo 10 miliara Ariary avy amin’ny fitondrana fanavaozana ny Secren (Société d’études,
de construction et de réparation navales), ho famerenana indray ny fahaleoavan-tena ara-bolany. 600 tapitrisa Ariary kosa no natokana handoavana ny karaman’ny mpiasa, volana mey sy jona. Manana
anjara toerana stratejika eo amin’ny toekaren’i Madagasikara ny Secren ka antony hanohanan’ny fitondrana azy ireo.
Lany teo anivon’ny antenimierampirenena, omaly, nandritra ny fivoriambe, ny volavolan-dalàna laharana 038/2026, tamin’ny 1 jolay 2026, ka mampitombo roa taona ny fetra-taona handehanana misotro ronono, ho an’ireo sokajin’ny zandary sy miaramila. Miisa 800 ireo zandary sy miaramila voakasik’ity volavolan-dalàna ity, ho amin’ny taona 2026.
Nanatitra ny fakan-kevitra ho amin’ny fikaonandoham-pirenena teny amin’ny FFKM ny Ceni, afakomaly. Anisan’ny voarakitra ao anatin’izany ny lisitry ny mpifidy, ny fandaharam-potoan’ny fifidianana, ny firotsahan-kofidina, ny fampielezan-kevitra, ny fitantanana sy fikirakirana ny latsa-bato. Eo koa ny fifanolanana amin’ny fifidianana, ny fanaraha-maso, ny fandaminana ankapobeny eo anivon’ny Ceni




