BNGRC: Mifanakalo traikefa any La Réunion

Nandray anjara tamin’ny fihaonan’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza eto amin’ny faridranomasimbe Indiana ny delegasionina avy amin’ny BNGRC. Hetsika nokarakarain’ny COI, niaraka amin’ny etamazaoron’ny ranomasimbe Indiana frantsay misahana ny vonjy voina.
Niompana tamin’ny fifanakalozana momba ireo rafitra nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, ny fizarana traikefa sy fahaiza-manao tamin’ny fiatrehana ireo loza ny fihaonana. Teo koa ny famolavolana fiofanana sy fanazaran-tena iraisana. Notsindrina ihany koa ny maha zava-dehibe ny fifanomezan-tanana sy ny fiaraha-miasa rehefa misy loza mitranga.
Ankoatra ireo ny fanehoana tamin’ny alalan’ny fampiharana ny fahaiza-manaon’ireo mpamonjy voina, ireo mpisehatra amin’ny fanadiovana ny rano ary ireo mpanamory drône. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiomanana amin’ny taom-pahavaratra 2026-2027 izao hetsika izao, indrindra manoloana ny va­nim-potoanan’ny rivodoza sy ny mety ho fiantraikan’ny El Niño amin’ny toetr’andro eto amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe Indiana.
Nitarika ny ekipa tany amin’ny Nosy La Réunion ny tale jeneralin’ny BNGRC, Ramanantsoa Gabriel.

Tatiana A

Partager sur: