Fiarovana olona ambony: manamboninahitra 13 niofana niaraka tamin’ny Rosianina

Notanterahina omaly, teny Mahazoarivo, ny famoahana ireo nahavita fiofanana manokana momba ny fiarovana olo-manankaja ambony. Manamboninahitra 13 no nandray anjara tamin’izany.

Tafiditra tao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-miaramila eo amin’i Madagasikara sy ny Federasionin’i Rosia izao fampiofanana izao. Nandritra ny roa volana no niatrika izany ireo manamboninahitra 13, notarihin’ny manam-pahaizana rosianina. Nifantoka tamin’ny fitifirana, taktika, vonjy taitra ara-pitsaboana,  fiarovana manoloana ny loza ara-simika,  fanomanana ara-tsaina ary fampiharana tranga samihafa amin’ny iraka fiarovana ny fiofanana nomena azy ireo.

Asa manana ny hasiny
Nanamafy ny lehiben’ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, fa asa manana ny hasiny sy andraikitra lehibe ny fiambenana ireo olo-manankaja ambony. Tokony hisy fijerena manokana sy fanomezana lanja ireo mpampiofana avy amin’ny Tafika rosianina izany, araka ny nambarany. Mendrika ny hotolorana fankasitrahana avy amin’ny fanja­kana malagasy izy ireo noho ny anjara birikiny tamin’ny fa­namafisana ny fahaiza-ma­naon’ireo mpiofana. Anisan’
ny nisongadina tamin’ity
fio­­fa­nana ity ny nahazoan’ny kapiteny Andriamahazorivo Reynolds Sitraka Iombonana, komandin’ny Holafy Fibaikoa­na eo anivon’ny Bataillon de sécurité de la Primature (BSP), ny mari-pahaizana ho mpampiofana. Manam-pahaizana manokana amin’ny fiarovana olo-manankaja ambony, ka izy irery tamin’ireo mpiofana 13 no nahatratra io ambaratonga io. Mbola hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanofanana manokana ity dingana ity ary tsy hijanona hatreo fa hitohy amin’ny sehatra hafa, mba hananana mpiasa matihanina, voafehy ary vonona hiatrika ny asa sahaniny.

Mi.Raz

Partager sur: