Hira teatraly: adiny roa mahery ny « Alavizana an-kira »

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo hetsika karakarain’ny Sehatra Bagasy, ho an’ity volana septambra ity, hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, ny sabotsy 5 septambra izao, ilay fampisehoana «Alavizana an-kira». «Hiaraka hankafy sy hifehy ny hiran’izy 3 mirahalahy Telonohorefin’ny hira teatraly isika», hoy ny nambaran’i Mbosa tamin’ny mpanao gazety, omaly.
Sanganasan’i Justin Rajoro «Raha migaina ny andro mafana», Naka Rabemanantsoa “Very vakana», ary Andrianary Ratianarivo «Io fitiavana io», no hoentina eny an-tsehatra. Ampahafantarina amin’io ihany koa ny momba ireo mpamoron-kira ireo. Hisy hatrany ny sehatra malalaka ho an’ny rehetra.
Ankoatra ireo, afaka manomana hira hokaloiny amin’io fotoana io ny mpanatrika. Na izany aza,  ilaina hatrany ny mandefa mialoha ny lohateny sy ny tompon’ny tonony sy ny feony, mba hiomanan’ny mpitendry sy ny mpihira raha ny fanazavan’i Mbosa. Nohamafisiny fa «mila fantarina ny momba ny hira manontolo, mba ho fameloman-kira araka ny vina sy ny tanjon’ny Sehatra Bagasy no hotanterahina».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: