Anisan’ny faritra nahavita ny dinika momba ny asa tamin’ny volana aogositra lasa teo ny tao Fitovinany. Samy nandray anjara tamin’ny famantarana ny olana, ny filàna, ny fahafahana ary ny vahaolana mifandraika amin’ny fampananana asa ao amin’ny faritra ireo mpisehatra. Nifantoka tamin’ny zava-misy sy ny antontanisa momba ny asa, ny fandrindrana ireo mpisehatra, ny asa ho an’ny tanora sy ny fampidirana azy ireo amin’izany, ny fampifanarahana ny fiofanana amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa ary ny fandraharahana sy ny asatena, ny dinika.
Tontosa ny fiandohan’ny herinandro teo, tany Ampefy, ny fanoloran’ny Fond d’intervention pour le développement (Fid) ireo lakana haingam-pandeha miisa 18 ho an’ny BNGRC. Hanampy betsaka amin’ny fikarohana sy famonjena haingana mandritra ny fotoan-tsarotra ireo fitaovana ireo, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ka ho alefa avy hatrany any amin’ireo faritra mitoka-monina sy misedra olana amin’ny fahafana mamonjy haingana mandritra ny loza. Nanaovana fanazarantena an-tsehatra ny fampiasana ireo, nandritra ny fanolorana. Tafiditra anatin’ny tetikasa Vonjy Voina na Projet de réponse d’urgence contingente – CERP, izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ary iandraiketan’ny Fid ny fanantontosana azy.




