Taratry ny kanto

Manomboka maka fanapahan-kevitra hentitra ny firenena maro. Namoaka didy ny fitondram-panjakana any Aostralia fa ireo hira sy mozika nampiasana manontolo ny « intelligence artificielle » na « IA » dia tsy ekena ho anisan’ny hira ho heno any an-toerana amina sehatra samy hafa intsony. Azon’ny mpitendry zavamaneno ampiasaina tahaka ny fitaovana rehetra eo am-pelatanany ny ordinatera sy ny IA fa tsy ekena any an-toerana kosa ny famoronana, ny fihirana, ny fitendrena avoakan’ny IA. Fantatra fa niroso amin’izao fepetra izao ny any Aostralia mba hanomezan-danja sy ho fiarovana ny famoronana ataon’ny olombelona.
Nampidirina hôpitaly ao Saint Louis (Missouri), i Lionel Richie, mpihira teratany amerikanina mandia ny faha-77 taonany. Ny 30 aogositra teo, taorian’ny seho nataony tao amin’ny The Muny, ao amin’ny Forest Park, no nitranga ny tsy fahasalamany. Teo an-tsehatra i Lionel Richie no efa nangataka hipetraka nandritra ny fihirany ilay hira hoe “All Night Long”. Tratry ny tsy fahampian’ny rano na “déshydratation” ity mpanakanto ity raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy. Na izany aza, tsy misy ahina ny aminy raha ny nambaran’ireo loharanom-baovao miparitaka maneran-tany.

Partager sur: