Tselatra

Nalain’ny havany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razan’ireo tovolahy namono nahafaty an’i Haingotiana sy Stéphanie, rehefa avy nozahana teny an-toerana. Nahitana an’i Larry (20 taona, avy etsy Ambodin’Isotry), Aldo (18 taona, Ambo­hitrimanjaka), Sitraka (23 taona, Itaosy) ary Fanome­zantsoa (17 taona, 67 Ha) izy ireo. Nilaina ny fisian’ny fianakavian’izy ireo, araka ny fepetra napetraky ny sampana misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava.

Partager sur: