Dinika fakan-kevitra: tonga manatrika eny Iavoloha ny vondrona iraisam-pirenena

Miroso araka ny tetiandro sy ny lamina napetraky ny mpikarakara ny dinika politika tanterahina eny Iavoloha. Anisan’ny voaasa ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Nitohy omaly hatramin’ny talata 8 septambra izao ny dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana izay tanterahina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ankoatra ny antoko politika, ny vovonana, ny fi­kambanana na vondrona samihafa, nahazo fanasana ihany koa ny vondrona iraisam-pirenena. Manatrika ny dinika sy manara-maso ny fizotran’izany izy ireo. Samy manana solontena ny Sam­pandraharahan’ny Fire­nena mikambana miasa sy monina eto Madagasikara, ny avy amin’ny Vondrona afrikanina ary ny Sadc. Tsy mandray anjara amin’ny adihevitra izy ireo, mijanona ho mpanara-maso ihany. Tafiditra amin’ ny tondrozotran’ny tetezamita rahateo ity dinika tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ity.
Nandray anjara tamin’ny dinika, nandritra ny andro faharoa kosa, ny vondrona IRMAR, Mouvement Gasikara ary ny vondrona SIAP. Mariky ny fivelarana amin’ny von­drona samy hafa ny fanasana ny vondrona mpanohitra toa ny IRMAR, araka ny namba­ran’ny filohan’ny Fanavao­zana.

Fihainoana
Mampiavaka ny fizotry ny dinika ny fanomezan-danja ny vondrona politika tsirairay haneho ny heviny. Hitondra fifampizarana amin’ny traikefa manodidina ny fifidianana. Afaka manolotra fehinkevitra, efa voavolavolan’ny mpandray anjara tsirairay avy ihany koa izy ireo.
Tanjon’ny dinika rahateo ny mba handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fanatantera­hana fifidianana mangaraharaha sy eken’ny rehetra.
Mitovy avokoa ny herijika ho an’ny mpandray anjara amin’ny dinika, satria afaka ny manao tsikera hoenti-mana­rina ny tsy nety. Mahazo ma­nome tolo-kevitra hoenti-manatsara. Afaka manome vahaolana.

Nohamafisin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Ran­dri­anirina Michaël, fa zava-dehibe ny fanatanterahana ity dinika ity, satria ny Malagasy tsivakivolo no voasolo tena. “Ho fifidianana tena madio, tsy hisy disadisa fa iarahan’ny vahoaka malagasy rehetra no tanjona”, hoy izy.
Marihina fa namaky lay ny dinika ny Vovonana Firaisan­kina, ny Fikambanam-behi­vavy ary ny Kfim. Nahazo fanasana kosa ny Vovonana Irmar.

Mi.Raz

Partager sur: