Taorian’ny seho lehibe roa, tao Mahamasina, ny 2024 sy ny 2025, manome fotoana an’ireo mpanaraka azy ny tarika Reko ny 20 septambre ho avy izao. Lasa masoivohon’ny Orange Madagascar koa ity tarika ity.
“Efa Reko! Ho avy izy!”. Hanolotra seho miavaka ary mampihetsi-po ho an’ireo mpankafy azy, ny 20 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina indray ny tarika Reko. Ity no seho fahatelo hataon’izy ireo ao amin’io toerana io, taorian’
ny fahombiazana, ny volana desambra 2024 sy 2025 lasa ireny, araka ny fanazavana nomen’ny mpikarakara, Studio 58 sy ny tarika, omaly, tetsy amin’ny Gara Soarano.
Hisy ireo vahiny asaina hanafana ny lanonana. Anisan’izany i Jimmy Harison, Erica Du Rock, ny Tanà Gospel Choir TGC. Fa eo ihany koa i Dj Sugar Nathan hampiakatra ny hafanan’ny lanonana eny an-toerana. Hira maherin’ny 40 eo no ho hirain’ny Reko mandritra io seho io ary miisa dimy amin’izay ny vaovao.
Niforona ny taona 2017, valo taona nijoroana, ny tarika ary efa nahatratra 300 teo ny fampisehoana lehibe nataon’ izy ireo. Efa nanao seho roa tany Eoropa.
Masoivohon’ny Orange
Nampahafantarina, omaly, teny Soarano ihany koa, fa masoivoho vaovao an’ny orinasa Orange Madagascar
ny Reko. Haharitra roa taona ny fifanarahan’ny roa tonta. Nambaran’ny tomponandraikitra fa izao fiaraha-miasa izao dia hampifanakaiky kokoa ireo mpankafy ny Reko sy ny Orange ary maneho ny fanohanana ny kolontsaina malagasy. « Ny mozika entin’izy ireo, miavaka ary miorim-paka ao anatin’ny kolontsaina malagasy. Mitovy ny fomba fijerinay, dia ny hanakaiky sy hanohana ny Malagasy maro, indrindra ny tanora, eo amin’ ny fiainana andavanandro…”, hoy Ranaivoson Valérie, talen’ny Mécénat eo anivon’ny Orange Madagascar. Ny Reko no mpanakanto fahadimy masoivohon’ny Orange Madagascar.
Fitia Randria




