Printsy Andry Rodrigue: azo ampiarahina ny fahendrena sy ny siansa

Fahalalana sy fahendrena, kolontsaina napetraky ny razana. Ny siansa sy lalàna, rindra nentin’ny zanakolombelona hahatsara ny fiainany sy ny manodidina azy. « Afaka miara-dalana tsara ireo amin’ ny fampandrosoana sy fampivoarana ny tsirairay sy ny fiarahamonina », hoy ny printsy Andry Rodrigue. Ireo rehetra ireo hampiharina ao anatin’ny fanarahana ny didy aman-dalàna misy, raha ny fanazavany hatrany. Eo ihany koa ny fanajana ny soatoavina. Na izany aza, maro amin’izy ireny (didy aman-dalàna) no efa ilam-panavaozana hanaraka ny vanim-potoana iainana ankehitriny.
Raha ny fanazavany ha­trany, ny lalana nodiaviny no anisany ahafahany milaza fa azo atao ny mampiaraka ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny siansa. Nandray fanabeazana maro izy. Mpahay momba ny zavapanahy, na­metrahan’ireo teo aloha adidy ho amin’ny fampanjakana
ny soa iombonana. Mpahay momba ny famahavahana ny soratra fahiny ihany koa ary mpahay siansa momba ny
atidoha. Ma­nana fahalalana amin’ny fandinihana sy famakafakana lalina ireo didy aman-dalàna ny tenany. Hamoaka boky mom­ba izany, rahateo, ny printsy Rakotoarisoa Andry Rodrigue, raha ny nambarany.
Nohamafisiny fa natao hanasoavana ny mpiara-be­lona, hampirindra ny fiaraha-monina, hampandroso ny rehetra ny fananana fahala­lana sy fahendrena ary ny fa­haizana ny siansa.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: