Ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fiaraha-miasa stratejika, ny diplaomasia ara-toekarena… Ireo no anisan’ny lohahevitra hifantohana amin’ ny fihaonamben’ny samy Malagasy momba ny tontolon’ny diplaomasia eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny no mikarakara ny fihaonambe, izay hatao eto Antananarivo, ny
7 hatramin’ny 17 septambra ho avy izao. Anisan’ny hodinihina sy hifanakalozana amin’ izany koa, ohatra, ny amin’ny fiandrianam-pirenena sy ny filaminana, ny diplaomasia ara-kolontsaina sy ara-tsiansa, ny fampiroboroboana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny tanora ary ny fanavaozana ny diplaomasia malagasy….
Araka ny fampitam-baovaon’ny eo anivon’ny Raharaham-bahiny, omaly, miorina amin’ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana ary ny fiaraha-manorina izany dingana izany. Ampandraisina anjara amin’izany ireo sehatra sy singa marolafy eto amin’ny firenena.
Anton’ny hanaovana ny fihaonambe kosa ny toe-draharaha iraisam-pirenena, izay tsy mitsaha-miova sy mivoatra hatrany. Noho izany, mila dinihina sy faritana izay eo amin’ ny sehatry ny diplaomasia. Toy izany ny fiaraha-miasa sy izay fomba hampiroboroboana sy hiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Sehatra iray ahazoana mifanakalo hevitra sy mifampidinika amin’ny samy Malagasy ny hoavin’ny diplaomasia sy hamolavolana vina iombonana momba ny politikan’ny Raharaham-bahiny eto Madagasikara izany.
Hiroso amin’ny fanovana na fanavaozana ny sehatry ny diplaomasia eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena
amin’izay ny Malagasy? Indrindra amin’izay firenen- dehibe tsy nanapahana tadim-poitra hatramin’izay…
R. Nd.




