Tanterahina mandritra ny iray volana ny dinika fifanakalozan-kevitra iarahana amin’ny Banky foiben’i Madagasikara. Mahakasika ny « Taxonomie verte » na ny tetikasa sy asa ara-toekarena mahafeno ny fepetra maitso izany.
Manokatra dinika fanakalozan-kevitra amin’ny besinimaro miomba ny volavolan-drafitra «Taxonomie verte» ny Banky foiben’ i Madagasikara (BFM). Hetsika atao hametrahana ny rafitra ara-bola maharitra eto amin’ny firenena izy io. Nanomboka ny 1 septambra teo ny dingana voalohany amin’ny angon-kevitra ka haharitra hatramin’ny faran’ny volana. Tanjona ny handraisana ny sosokevitr’ireo mpisehatra rehetra mba hanatsarana sy hanamafisana ny volavolan-drafitra. Aorian’izay, hatsangana ho rafitra mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filan’ny toekarena malagasy ireo fanehoan-kevitra samihafa voaray.
Misokatra amin’ireo mpisehatra marolafy ny fifampidinihana. Anisan’izany ireo andrimpanjakana, ny banky sy ny rafitra ara-bola, ny orinasa, ireo mpampiasa vola ary ireo fikambanana matihanina. Asaina handray anjara ihany koa ireo mpisehatra tsy miankina sy ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena izay liana amin’ny resaka fitantanam-bola maharitra. Hisy, araka izany, ny antontan-taratasy hampahafantarana ny daholobe sy hampiasaina ao anatin’ny tetikasa.
Tetikasa ho an’ny tontolo iainana
Fitaovana enti-mamaritra ireo tetikasa sy asa ara-toekarena manaja ny tontolo iainana ny «Taxonomie verte». Kendrena manokana ny hametrahana fampiasam-bola maharitra ka hahafahana mandray anjara amin’ny famolavolana rafitra mifanaraka amin’ny filan’ny firenena. Misongadina ao anatin’izany ny hanohanana ny fampandrosoana ny famatsiam-bola maitso eto Madagasikara. Ankilany, mifanaraka amin’ny fomba fanao iraisam-pirenena amin’ny famolavolana «Taxonomie vertes» ny dingana ataon’ny BFM. Hasongadiny ny fampandraisana anjara ireo mpisehatra rehetra.
Henintsoa




