Hanolotra seho etsy amin’ny FJKM Rasalama Martiora Manarintsoa Namehana, ny alahady 6 septambra ho avy izao, ny Ampifitia FJKM Isotry Fitiavana. Fiderana Jobily Lehibe, iarahan’ny Fiombonan’ny mpanao gazety kristiana malagasy sy ny Ampifitia ary ny komity fankalazana ny faha-200 taonan’ny sekoly Rainisija Manarintsoa Namehana ny hetsika. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny seho. Tanjona ny hanangom-bola ho fanatanterahana ny tetikasa fananganana kianja synthétique ho an’ny sekoly eny an-toerana. Ankoatra izay, natao ho fotoana iray hifamondronan’ny mpino, ny mpanao gazety kristiana ary ireo mpiray fo amin’ny fanabeazana ity fampisehoana ity. Hanandratana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiderana sady hanohanana ny fanabeazana sy ny tanora amin’ny alalan’ny fananganana kianja ihany koa. Raha tsiahivina, anisan’ireo olona nifandray akaiky tamin’ny fiangonana Manarintsoa Namehana Rainisija. Tao amin’io sekoly izay mitondra ny anarany io ny toerana nahaterahany sy nianarany. Sady manome lanja ny tantara no mijery ny hoavin’ny taranaka amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ny fankalazana hatao.
Mino




