Indray mijery

Mitohy ny fanomezana torolalana ho an’ireo tanora mpianatra, ho fanatsarana sy fampiakarana ny lentan’ny fampianarana ambaratonga ambony. Miara-misalahy amin’ny Mesupres maneho izany amin’ny hetsika “Salon de l’étudiant 2026” eny amin’ny Esplanade Ankatso, ahitana tranoheva manodidina ny 82, ireo Oniversite any amin’ny faritra.

Notanterahina tao amin’ny ivontoeram-piofanana ara-pedagojia CRRFP Toliara I ny atrikasa fandrindrana fanomezana tantsoroka pedagojika ho an’ny Dren Atsimo Andrefana. Laharam-pahamehana tamin’izany ny fandrindrana ny asa, ny fifampizarana traikefa sy tahirin-kevitra ary ny famahana ireo olana eny ifotony.

Miditra an-tsekoly ny mpianatra. Maro ireo ray aman-dreny mitaintaina amin’ny fandriampahaleman’ny zanany. Miteraka tahotra sy horohoro ny zava-misy nitranga tato ho ato. Manamafy ny fepetra iaro­vana ny ankizy ao amin’ny faritry ny sekoly ny tom­ponandraikitra. Ireo ray aman-dreny kosa mampitombo ny fahamailoana sy ny fiambenana ny menaky ny ainy.

Partager sur: