Nankatoavina sy nosoniavin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, omaly, ny taratasy mirakitra ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny Komity teknika ho an’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny didim-pitondrana laharana faha-29037/2026. Miisa 39 izy ireo no mandrafitra izany komity izany, mitsinjara amin’ny sokajy samihafa. Voasolo tena ny andrimpanjakana voakasika, ny rafitra isan-tsokajiny, ny fiangonana sy antokom-pinoana, mpikambana na tsia eo anivon’ny FFKM. Anarana anisan’ny ao anaty lisitra, ny pasteur Mailhol André Christian.
Manana solontena ny fikambanana amin’ny sehatra tsy miankina, ahitana ny federasionin’ny manana fahasembanana, raiamandreny ara-drazana, ahitana solontena isam-paritra. Ao koa ny fiarahamonim-pirenena. Manana anjara toerana ao anatin’ny komity teknika ihany koa ny vondrona fikambanana tanora, izay avy amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy.
Ankoatra ny komity teknika, misy koa ireo mpikambana mandrafitra ny filankevi-pitantanana izay efa natolotra tamin’ny fanomezana ny dingana mahakasika ity fikaonandoham-pirenena ity, teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Anisan’ny voatendry tamin’izany ny Praiminisitra teo aloha, Ramandimbiarison Zaza sy ny mpamakafaka politika, Zafimahova Serge.
Tsiahivina fa hanomboka ny 14 septambra ny dinika eny ifotony, eny anivon’ny kaominina. Hitohy eny anivon’ny distrika ary ny faritra izany avy eo. Ny volana marsa 2027 kosa ny dinika nasionaly ary ny volana mey 2027 no hanolorana ny fehin-kevitra.
Mi.Raz




