Samy manana ny ambarany ny mpanao politika mahakasika ny federalisma. Misy ny resy lahatra fa vahaolana hoenti-mampandroso izany. Misy ny manamafy fa ho fototry ny adim-poko izy io.
“Tsy zaka ny hoe federalisma. Hisy governemanta firy hatao isam-paritra? Nefa mahantra ny firenena… Aiza ny vola enti-manana an’izany?”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, ny amin’izay rafitra hitantanana an’i Madagasikara. Ny fanjakana tokana aza tsy zaka ny fampandehanan-draharaha, fa indramana any amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tsy zakan’ny firenena ny governemanta isam-paritany na Faritra. Tsy ny fahalehibeazana jeografika fa foko no nizarazaran’ny Frantsay ny Faritany enina, tadiavin’ny sasany ho Faritany mizaka tena. Tsy mety izany fa lasa miady isam-poko… Mavesatra be loatra ny rafitra eto Madagasikara: fokontany, kaominina, distrika, Faritra, Faritany. Roa ihany izany any Eoropa: faritra sy kaominina. Tokony ho vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany.
“Fanamafisana ny firaisam-pirenena ny federalisma”, hoy kosa ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety. Rehefa omena fahefana ara-bola sy fitantanana manapaka ny Faritra ka mandroso, izay vao tena hihamafy ny firaisam-pirenena. Raha tohizana ny fanambakana tao anatin’ny 50 taona hoe fitsinjaram-pahefana tena izy nefa 5% ihany ny tetibola omena ny Faritra, tsy misy hanaiky an’izany: vao mainka hiady ny samy Malagasy. Mahatsapa ny olona fa nandritra ny 50 taona, tsy nampandroso azy ny fanankinana ny fahefana tamin’ny olon-tokana. Fomba ilazan’ny isam-paritra ny faniriany te handroso ny hoe federalisma. Mila fahefana ara-bola sy ara-pitantanana tonga eny ifotony izany. Tsy misy olona te hizarazara ny Malagasy izany eto, fa leon’ny fahantrana ny olona sy tsy manaiky ambakambakaina.
Ny fikaonandoham-pirenena no ho tompon’ny teny farany? Na ny vahoaka…
R. Nd.




