Rugby – “XXL Top 12”: hanala vela amin’ny Cosfa ny Uscar

Hotanterahina amin’ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Hanakatona izany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar (Kaominina). Fihaonan’ny ekipa samy boaty izy ity. Tsy vao izao akory no nihaona ny roa tonta fa ekipa efa diso mifankahalala tsara. Tato anatin’ny 3 taona, tsy mbola nandresy ny miaramila ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ity izany no fotoana hanalan’izy ireo vela. Vonona ireo mpilalao hamerina indray ny lazan’ny Uscar. Miantso ireo mpanohana azy ry zalahy ho tonga maro hanatrika fa hery lehibe ho azy ireo izany.
Etsy andaniny, vonona hitazona ny anaram-boninahitra eo an-tanany ny miaramila. Ho resy izany izay ratsy fiomanana amin’ity. Ankoatra izay, andrasan’ny rehetra ihany koa ny fiadiana ny laharana fahatelo hifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny CEA Andranomanalina. Ho toy ny famarananakely ihany koa ny azy ireo. Amin’ity, hanala vela ny Manjakaray.

Tompondaka

Partager sur: