Vaovao tambatra

Vonona hanohy sy hanatanteraka ny fanamboarana ny arabe migodana (voie rapide) ny Samcrete. Voakasik’izany ny ampahany faharoa, miainga eo Anjo­zorobe hatrany Toamasina. Tsiahivina fa madiva ho vita ny ampahany voalohany, Ambodifasina-Anjozorobe, mirefy 80 km. Efa voaravona ny tany amin’ny 85 km, vita godirao ny 65 km. Maherin’ny 1 000 ny Malagasy mpiasa, ary 80 ny egyptianina. Mandalo eto Madaga­sikara ny mpitantana ity orinasa ity, nihaona tamin’ireo tomponandraikitra malagasy. Handray anjara amin’ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa hafa koa ity orinasa ity.
Hapetraka ny rafitra « Parc industriel minier ». Tanjona ny hisarihana ny mpampiasa vola vahiny sy eto an-toerana, hanodina ara-indostrialy ny harena amba­nin’ny tany eto amintsika. Ho jifaina eto an-toerana ny 30% ny vokatra, ary hapetraka sy hamoraina ny fananganana ny fotodrafitrasa ilain’ny orinasa na mpandraharaha tsy miankina. Hiarahana amin’ny mpiara-miombon’ antoka ny fanofanana ny teknisiana sy ny fampitaovana, hampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ireo orinasa eto an-toerana (sous-traitants) manao tolotrasa.
Natao omaly maraina ny fihaonan’ny MEF sy ny sehatra tsy miankina, mahakasika ny LFI 2027. Nihaona tamin’ny fiarahamonim-pirenena kosa ny tolakandro. Fotoana nifampizarana sy nikaonandoha amin’ ny famaritana ireo laharam-pahamehana sy ny tena
filan’ny vahoaka. Hanatsarana ny tetibolam-panjakana mba hisy vokatra mivaingana mitondra fampandro­soana izany. Anisany ny fanarenana ny toekarena, ny sosialy, ny fahazoana jiro sy rano, sns.

Partager sur: