Fiarovana ny ranomasina: mifanome tanana ny FAO sy ny MPEB

Hampihena ny fandotoana an-dranomasina sy ady amin’ ny “pêche fantôme”. Ireo no votoatin’ny tetikasa tohanan’ny FAO, iarahany amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Kendrena ny hampiroborobo ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy ny toekarena manga. Nikaondoha sy nampahafantatra ny fivoaran’ny tetikasa fanamafisana ny fitantanana ireo fitaovam-panjonoana nilaozana, very na nariana, na tsy ampiasaina intsony, ho an’ny ranomasina madio kokoa ao amin’ny ranomasimbe Indianina andrefana, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga sy ny solontenan’ ny FAO, mpisolo toerana eto Madagasikara, Aloys Nizi­giyi­mana. Ankilany, hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo fikambanan’ny mpanjono. Homena lanja ny fanangonana, fanodinana ary fampiasana amin’ny fomba maharitra ireo fitaovam-panjonoana ho fiarovana ny fahadiovan’ny ranomasina sy ny harena an-dranomasina. Vonona hanohana ny tetikasa ny MPEB, hampandrosoana ny toekarena. Hamatsy vola ny tetikasa kosa ny masoivohon’i Japon. Mifanolo-tanana ireo mpiantsehatra hiara-hiasa amin’ny fiarovana ny ranomasina sy ny fiveloman’ireo vondrom-piarahamonina.

Henintsoa

Partager sur: