Notoloran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fitaovam-pianarana toy ny kahie, penina ary fitsipika ireo mpianatra ao amin’ny Akanin’ny Marenina 67 Ha, ho fanampiana sy hanamaivanana ny vesatry ny ray aman-dreny. Ivontoerana natokana ho an’ny fanabeazana ireo ankizy manana olana ara-pihainoana eto Madagasikara ny Akama. Nisy ihany koa ny fanomezana tohana ho an’ireo mpampianatra sy mpandraharaha tao amin’ity akany fibeazana ity. Ho fampiharana ny fanabeazana mampiaty sy ara-kalitao ny zaza malagasy tsy ankanavaka no tanjona amin’izany.
Solotenam-pianakaviana 12 no tonga nanatrika ny dinika tora-po nokarakarain’ny Fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody, ny faran’ny herinadro teo, teny Mahazoarivo. Anisan’ny dinika nisongadina ny fitsarana mivilana ataon’ny fiarahamonina amin’ny marary, noho ny tsy fahalalany momba ny aretina. Ny deuil blanc izay alahelo sy fijaliana ara-
tsaina tsapa rehefa misy olona akaiky anao mbola velona ara-batana nefa niova na very tanteraka ny sainy, ny fiteniny, ny fitadidiany na ny maha izy azy, noho ny aretina. Ny fanamelohana tena, satria mahatsiaro hoe : tsy mety na tsy ampy ilay fandraisana an-tanana ny marary. Farany, ny fitiliana ara-potoana izay mety manova zavatra maro na ho an’ny marary na ho an’ny mpitaiza.




