Mahasaro-piaro mandrakariva ny raharahan-tokantranon’ny tena. Vao mainka ny fiandrianampirenena… Ny ady an-trano na ady an-toerana no mahatonga ny hafa ivelany hiditra tsy fidiny amin’ ny raharahan’ny tena? Manelingelina na manohintohina azy tsinona, Sao alain’ ny hafa tahaka any amin’izay misy azy ny korontan-dava, ny tsy fahaiza-mifandamina an-toerana… Ny soa, fianatra; fa ny ratsy koa, mety mifindra na mahatarika. Ilam-pitandremana sy fahamalinana eo amin’ ny fifandraisana; eny, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza.
Amin’izao hoe fanovana na fanaovazana izao, manara-maso ny fizotran-draharaha eto an-toerana ny iraisam-pirenana, indrindra ny vondrona misy ny tena. Misy ny manoro lalana, mitantana, manery ankolaka na mivantana, mijabaka sy miditra lalina aza indraindray… Amin’ izany, ilana ary takina ny fahatsiarovan-tena, ny fifanairana an-toerana, ny fifampitantanana… Ho aiza ary hanao inona? Sao entin’ny sasany amin’izay itiavany azy ho amin’ny tombontsoany, ohatra, sanatria? Mampanontany tena izay amin’izao hoe fanovana sy fanavaozana izao. Aiza ho aiza?
Raha mazava sy iombonana ny tanjona, tsy tokony hampiombona ho azy ve? Eo ny hoe: iza no manao inona? Fa tsy izay atao rehetra mitranga sy atao dia ifandroritana, ifanomezan-tsiny, ifanilihana andraikitra raha sanatria misy ny tsy fahombiazana na fahavoazana… Inona no nahatonga ny fidinana an-dalambe tamin’ny taon-dasa fa tsy ny fiainam-bahoaka? Niitatra tamin’ny fitantanam-panjakana. Ho amin’ny fanavaozana na fanovana… Hanao ahoana? Eo izao… Ahin’ny sasany mbola hiverina ny krizy politika, raha tsy misy amin’izao lalam-panavaozana izao ny fifampitantanana, fiovana fijery, firaisankina… Sao manosika ny hafa hijabaka, sanatria?
R. Nd.




