Mazava kosa ny finiavana, hatreto! Efa miaka-dapa sy miara-midinika amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny hery velona rehetra na ireo nosokajiana ho “forongony” iringiriny aza. Tsy hidirana lalina izay voambara any anatin’ny fifandaharana sy ny fifanakalozan-kevitra. Ny zava-dehibe aloha, mivoaka miabo ny sary ho an’ny mpitarika ny Fanavaozana. Efa betsaka rahateo ny resaka mandeha amin’ny kajikajy fa tsy misy afaka ny hitsipaka kosa fa mety ilay mifampiresaka.
Zava-dehibe tamin’ny Malagasy ny fihavanana. Naleony mihitsy very tsikalakalam-bola, taloha. Ny soa anefa fianatra! Tsy misy tokony ho sakana tsy ahafahana miroso amin’ny famerenana ireo soatoavina sy fomba amam-panao hita fa tsara sy nahatsara fiarahamonina. Ny alika rahateo no jamban’ny taolana, Raolombelona jamban’ny vola. Mila manova fomba fisainana sy fahaiza-miaina ny mpiantsehatra politika isan-tsokajiny.
Mifanindran-dalana amin’izay ny tokony hijoroan’ny mpanao politika amin’ny etikany. Tsy sanatrian’ny vava ka ho baikobaikoin’ny tombontsoa dia hamadika namana. Efa nanao ezaka lehibe, nametraka dingana hafa mihitsy ny fitondrana. Tsy tokony hisy ny hanao volo manoha -randrana. Na mody mihavana, saingy manao kibay an-kelika. Tsy tokony hifanosi-bohontanana intsony na inona na inona loko politika. Tsy ny safidy manokana no hanimbana ny soa ho an’ny besinimaro.
Tsy ny ivelan’ny fanavaozana ihany anefa no mila mampiseho izay finiavana hiavana izay. Iaraha-mahita fa mipoipoitra sy maniry toy ny anana ny fikambanana, vondrona na vovonana mpanohana fitondrana. Tsy hay mazava intsony, iza no manao inona? Ny anarana no hany samihafa fa ny foto-kevitra ijoroana, iray ihany: Manohana ny Kly Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana sy ny fitondrana? Manaja sy miondrika eo anatrehan’ny fitsipika apetraky ny fitondrana.
r.r




