Ny Vondron’ny Hetsika Federaly sy Vovonana itambaran’ny Federalista Malagasy ary ireo antoko politika samihafa miisa 80 mahery indray no noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana teny Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra hatrany ao anatin’ny dinika fakàn-kevitra ho fanomanana ny fifidianana ny fifanakalozana.
“Ny fikaonandoham-pirenena no tompon’ny teny farany”, hoy ny KMF/Cnoe momba ny fanomanana fifidianana. Nisy ny fakan-kevitra notanterahina tany Morondava ny faran’ny herianandro lasa teo. Nitarika izany ny filohany, i Namearison Robert. Tokony hiomana handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena kosa ny vahoaka, hoy izy ireo.
Nosoniavin’ny minisitry ny Raharam-bahiny, N’Diaye Alice, sy ny ambasadaoron’i Japon Masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara, i Hitoshi Tojima, teny Anosy ny feran’ny herinandro teo, ny hanoloran’ ny firenena japoney vola 300 tapitrisa yens hanohanana ny sehatry ny fambolem-bary eto Madagasikara. Nifototra amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izany.
Nandray ny mpiandriki-draharaha mpisolo toerana amerikanina, Thomas Bevan, teny amin’ny birao fiasany, Anosy, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice. Voaresaka tamin’izany ny fahamatoran’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta, indrindra ny lafiny toekarena anohizana ny Agoa hatramin’ny faran’ny 2028.




