Nanao fivoriana tsy ara-potoana ny Filankevitry ny tanàna Toamasina I, nanomboka ny 31 aogositra ary nifarana ny 2 septambra teo. Nankatoavina ny hanarenana ny lalan-dratsy rehetra ao an-tampon-tanàna.
Anisan’ny lahadinika nivoriana ny hitadiavana famatsiambola hanamboarana ny lalana rehetra eto an-tampon-tanànan’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’izany ny lalana « Venance Manifatra » mampifandray ny Boulevard Ratsimilaho sy ny Boulevard Ralaimongo. Eo koa, ny lalana « Rue de la Pelouse » sy ny Radama. Araka ny baikon’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, harenina daholo ny fotodrafitrasam-bahoaka simban’ny rivodoza Gezani farany teo. Efa natsangana ny Vaomiera mpandrindra ny fanarenana an’i Toamasina (UCR), izay manana famatsiambola avy amin’ny mpamatsy vola isan-karazany amin’ny alalan’ny fanampiana vokatry ny loza voajanahary. Mitarika ny UCR ny jeneraly Ramasy.
Tsy niandry ela, fa nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 1 septambra teo, ny asa fanamboarana sy ny fanarenana ny lalana eto an-toerana. Nitarika izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, misahana an’i Toamasina, Razara Pierre.
Nambaran’ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, fa ho foanana tanteraka ny lalan-dratsy sy ny lavadavaka eto Toamasina. Satria, manome endriky ny tanàna sy maha mendrika ny seranan-tsambo iraisam-pirenena, izay ho vita atsy ho atsy.
Tsy azo ekena ny fanimbana
Nohamafisin’ny solombavambahoaka, Razara Pierre, fa ho sarotiny ny fitondram-panjakana amin’ny fanajana ny fotodrafitrasa, ary tsy azo ekena ny fanimbana ny fananana iombonana. Etsy ankilany, mitohy ny fanesorana ireo mampiasa ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Nosokafana koa ny lalam-pasika, ka hoesorina ireo manorina fotodrafitrasa eo ambony tatatra.
Sajo




