Mpilalao anisan’ny nanana ny lazany tao amin’ny klioban’ny Ajesaia, nanomboka ny taona 2003-2010, Randriamparany Sedera Mathieu, na i Sedera. Ankehitriny, mpilaravinahitra atsy La Réunion, ary milalao ao amin’ny klioba AS Excelsior ny lehilahy. Araka ny fanadihadiana natao taminy, ny faran’ny herinandro teo, manana fikasana ny hanao mpanazatra ny tenany, rehefa vita tanteraka mihitsy ny karierany eo amin’ny maha mpilalao matihanina azy. Nomarihiny koa fa haka diplaoma amin’izany mihitsy ny tenany.
Tsiahivina fa vodilaharana efa niaro ny rindrin’ny ekipa nasionaly Barea i Sedera. Efa niaraka nisalotra ny fanamian’ny ekipa nasionaly tamin’ireo kalaza teo aloha, toa an-dry Faneva Ima, Voavy Paulin, Bolida, Carolus, Ibrahim Amada, Mamy Gervais.
Anisan’ireo fahatsiarovana tsara indrindra ho azy ny fihaonan’i Madagasikara sy i Côte d’Ivoire, ny taona 2008. Mpilalao niainga teny amin’ny ekipa iray teny Antanivory i Sedera, ary izao efa milaravinahitra atsy La Réunion izao. “Tsy mora ny lalana vao tafavoaka fa mila finiavana sy fikirizana ary hapetraka hatrany amin’Andriamanitra”. Hafatra napetrak’i Sedera, ho an’ireo zandry aty aoriana.
Ankoatra izay, nilaza ny tenany fa betsaka ireo zandrikely mahay baolina, ka tokony homena sehatra anatin’ny ekipa nasionaly izy ireny.
Fitia Randria




