Handball – «Can Juniors»: lalao miaro voninahitra sisa ny an’ny Akio

“Voninahitra sisa arovana”! Hontosaina anio, any Abidjan, Côte d’Ivoire, ny andro fahatelo, fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny vondrona “B”, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, sokajy “Juniors”, lehilahy ity. Ho an’ny ekipa nasionaly malagasy Akio, toy ny lalao am-boninahitra sisa ny fihaonany amin’i Nigeria, anio, satria na mandresy aza ry zareo, tsy tafita any amin’ny dingana manaraka intsony.
Tsara ny mampahatsiahy fa tsy mbola nahita fandresena mihitsy i Madagasikara tao anatin’ny fihaonana roa nataony. Lavon’i Angola, tamin’ny isa 49 no ho 17 ny Akio, teo amin’ny andro voalohany, ary resin’i Algérie, 46 no ho 15, nandritra ny andro faharoa.
Taorian’io, farany ao anatin’ny vondrona “B”, ahitana an’i Angola, Algérie, Nigeria, i Madagasikara. Ampahafantarina fa aorian’ity fifanintsanana ho an’ny juniors ity, hisy ny fifananana natokana ho an’ny sokajy “cadets”, lehilahy, ary anisan’ireo mandray anjara amin’izany ihany koa ny ekipa nasionaly Akio.

Fitia Randria

Partager sur: