Notendren’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, tamin’ny didim-pitondrana tamin’ny 31 aogositra lasa teo, ho filohan’ny Delegesiona manokana (PDS) ao amin’ny kaomina ambonivohitr’i Toliara, Faritra Atsimo Andrefana, Razaha Tondraha. Voatendry ho lefitra voalohany kosa Randrianandrasana Veloson Grégoire ary lefitra faharoa i Serge Vital.
Tokony hiaraka amin’ny fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana ataon’ny filohan’ny Fanavaozana ireo voakasiky ny fifidianana, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, omaly. Eo ny avy
amin’ny minisitera isany, Atitany, Fitsarana, Fampianarana, Fahasalamana… Tsy tokony hiverimberina intsony ny krizy aorian’ny fifidianana.
Manan-jo hifidy sy hofidina ireo olom-pirenena nahafeno fepetra amin’ny taonany takin’ny lalàna, araka ny nambaran’ny KMF/Cnoe. Tombanana ho 7 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny tanora 18 ka hatramin’ny 30 taona eto Madagasikara, izany hoe, 40 hatramin’ny 45% ny mponina, raha ny fanambarana nataon’ny KMF/Cnoe hatrany.




