Manaitra ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny HCC, ny Antenimierampirenena, ny Primatiora ary ireo minisitera maro ny Fiombonan’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny tontolo iainana OSCEC. Ho azy ireo, mila fandraisana fepetra haingana ny fitsinjovana ny harena voajanahary.
Nandefa taratasy misokatra indray omaly 7 septambra, ho an’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny fitondram-panjakana ny vovonana Fiombonan’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny tontolo iainana eto Madagasikara (COSCEM), ahitana fikambanana nasionaly sy iraisam-pirenena miisa 464. Nisy ny tanteraka ary ao ny mila handraisana fepetra haingana, 10 volana aty aoriana. Notaterin’ny filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Alliance voahary gasy (AVG), Razakamanarina Ndranto, fa anisan’ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana ny nandrava tambajotra mpanao trafika sokatra, nitotaly 1 200. Tafatsangana ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina (CESC), manome toerana ny tontolo iainana.
Takin’ny COSCEM ny tena hampiharana ny lalàna momba ireo vondron’olona nandrava ny Faritra arovana Makira, nandoro tanàna iray manontolo sy ny biraon’ny VOI miisa 3, nefa navotsory ny fitsarana TPI any Maroantsetra. Tokony harovana ireo mpitoroka ny mpanao heloka sy ny mpanao trafika ny harena voajanahary. Mila ezaka ny fambolen-kazo satria, raha izao no mitohy, ho very ny 93% ny ala eto amintsika, amin’ny taona 2050. Ilaina ny tetibola atokana hiadiana amin’ny doro tanety sy ny doro ala. Ilaina ny politika nasionaly ho an’ny Hazo fandrehitra.
Lalan’ny vary
Tokony hatsahatra ny tetikasa Arabe migodana Antananarivo-Toamasina (Tatom), fa tanterahina ny « Lalan’ny vary », mampitohy an’Alaotra, Bealanana mankany Avaratra manontolo. Tsy mangarahara ny famerenana fanomezana fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany miisa 3 000, nanomboka ny 26 janoary 2026. Mila hampiakarina ny tetibola ho an’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, izay mbola 1,2%, ny Jono (0,3%). Eo koa ny an’ny Harena an-kibon’ny tany (0,1% monja), nefa ny 50% ny fanondranana any ivelany dia avy amin’ity sehatra ity.
Njaka Andriantefiarinesy




