Fanabeazana sy fampianarana: tsy tokony hiankindoha amin’ny vahiny

Raha te hanarina an’i Madagasikara, ny fanabeazana sy ny fampianarana no mila hasiam-panitsiana. Marobe ireo taranja sy zana-taranja mila haverina. Vaky boky, fanabeazana ho olom-banona, fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-manabe sy mampianatra, sns. Ao ihany koa ireo tokony hatsofoka. Fampianarana ireo fomba amam-panao sy ireo rehetra mifandraika amin’izany. Fampianarana ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy, sns.

… Mila miala amin’ny fiankinandoha lava amin’ny vahiny ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara. Ny fandaharam-pianarana, tsy misy fotony. Mianatra 12 taona. Hanao inona? Inona no hay? Ny tantaran’i Japon sy ny Japoney. Ireo ady lehibe roa. Hitondra inona amin’ny Malagasy sy i Madagasikara ny fahalalana ireo?

Ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana no mbola mampisongadina ny tsy fananan’i Madagasikara fahaleovantena tanteraka. Miankindoha, ankolaka sy mivantana, amin’ny vahiny. Marobe ireo zava-tsy sahaza ny Malagasy no ampidirina ankolaka amin’ny alalan’ireo lazaina fa tetikasa vatsian’ny vahiny vola.

… Raha mbola miantehitra amin’ireny ny fanabeazana sy ny fampianaran’ny Malagasy ny taranany, hiseho an-karihary amin’izay ny mbola maha firenena voazanaka an’i Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: