Mandritsara: nifindra ao amin’ny VFM ny TGV, ny Irmar ary ny Upar

Nanambara ampahibemaso ny fifindrany ao amin’ny VFM (Vovonan’ny Fihavaozana an’i Madagasikara) ny Solombavambahoaka roa ao amin’ny distrikan’i Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo.

Rava tanteraka ny biraon’ny TGV sy Irmar ary Upar. Io no nivoitra nandritra ny fihaonana nataon’izy ireo tao amin’ny Kianja monisipaly ao Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany, nifindra ao amin’ny vondron’antoko VFM ihany koa ny solombavambahoaka Rasolomanana Beby Olivier, ka mahazo fahefana hitantana izany, miaraka amin’ ny solombavambahoaka Ra­zakamanana André (Zakabe). Nambaran’ny mpikambana ao amin’ireo antoko telo izay niaraka tamin’ny filoha Rajoelina teo aloha fa manohana ny politikan’ny filohan’ny Fana­vaozana, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, izy ireo.

Mila mailo ny vahoaka
Anisan’ny naneho hevitra mahakasika izao fiovana antoko izao, ny dokotera Rama­nantsaina José. Nanamafy sy nanasongadina ny maha zava-dehibe ny foto-kevitra sy ny fahatokisana eo amin’ny politika izy. Mila mailo sy mandinika tsara ny vahoaka rehefa hifidy, hoy ny nambarany. «Samy zanak’i Sofia, samy zanak’i Mandritsara isika rehetra ka samy sarotiny ihany koa amin’ny olona tsy ampy fahalalana omena andraikitra», hoy ny nambarany. Tokony hanana mari-pahaizana eny amin’ny oniversite ireo maniry hirotsaka hofidina ho solombavambahoaka sy ben’ny Tanàna, hoy izy, ary maniry ny hampidirana izany fepetra izany anatin’ny sata mifehy ny fahafahana mirotsaka hofidina izy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: