Efa ela no nangataka ny hisitraka ny zony ny sendikan’ ny mpisotro ronono eo anivon’ny Antenimierampirenena (Saran). Efa nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena ihany koa izy ireo, saingy tsy mbola voaray hatreto. Malahelo, araka izany, ireto mpiasa misotro ronono ireto amin’ny fahazoany ny zony. Nisy fotoana efa noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, i Justin Tokely izy ireo, saingy mbola tsy nisy vokany hatreto. Nanamafy ny filohan’ny sendika, Andriantsizehena Bebain Urbain, fa tsy fitokonana akory no ataon’ny sendika fa ho fiarovana sy fiadiana ny zon’izy ireo.
Tsiahivina, ny volana marsa 2025 no nitsangana ny sendikan’ny mpisotro ronono eo anivon’ny Antenimierampirenena (Saran). Notsiahivin’izy ireo ihany koa fa rehefa mandeha misotro ronono ny mpiasa, misy ny “indemnités d’installation” na ny tambin-karaman’ny fifindran-toerana tokony hositrahana. Karama 12 volana izany, izay tsy mbola nisy nahazo izany ireto mpisotro ronono ireto. Misy aza ny efa maty tamin’izy ireo, saingy tsy mbola nahazo ny zony akory. Misy ihany koa ireo anatin’ny tsy fahasalamana ary mangataka ny hamaliana ny fangatahany.
Mi.Raz




