Olona telo norobain’ny dahalo: lehilahy voakapa famaky, voaroba ny 2 tapitrisa Ar

Nosakanan’ny dahalo miisa efatra mitondra fitaovam-piadiana, naratra mafy voakapa famaky teo amin’ny lohany sy ny tanany, ny lehilahy iray, ny alahady 6 septambra, tamin’ny 9 ora maraina. Moto miisa roa notaingenan’ny olona telo nosakanan’ny olon-dratsy tao amin’ny lalana mihazo an’Analakonjy, kaominina Andranomena, distrika Port Bergé. Nahare kiririoka tampoka ireo mpitondra moto. Efa-dahy nanambana tamin’ny basy miisa roa sady nanakana ny lalana. Noheverin’ireo mpanao ratsy ho zandary ilay lehilahy nitondra moto nitokana. Variana tamin’io olona io ireo efa-dahy ka afa-nandositra tanaty kirihitra ireo olona roa namany. Niantso fokonolona izy ireo. Tetsy ankilany, tsy namelan’ny dahalo raha tsy azo ny vola mitetina
2 700 000Ar teny amin’ilay lehilahy tavela. Norahonan’izy ireo ho faty ilay lasibatra. Nokapainy tamin’ny famaky ny lohany sy ny tanany. Nalatsak’izy ireo tao anaty lavaka sahabo ho 1 metatra. Nahatsiaro tena tampoka, niantso vonjy ilay mpitondra moto. Ren’ny fokonolona izay tonga hijery ny zava-misy taorian’ny fampahafantarana nataon’ireo roa nandositra izany. Nentina namonjy hopitaly io lehilahy naratra io. Narian’ireo olon-dratsy tsy lavitra ny moto.

Tsiferana R.

Partager sur: