Raim-pianakaviana iray nendahin’ny valo lahy teny Andranomanalina, ny alahady hariva teo. Avy nijery baolina izy ary notsenain’ny andian-dehilahy maro rehefa teny an-dalana hamonjy fodiana. Nambanan’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy izy saingy tafala. Voan’ny antsy teo amin’ny tarehiny sy ny faritry ny tendany, noho izany. Lasan’ireo olon-dratsy ny finday teny aminy.
Olona miisa roa nitondra moto, matin’ny lozam-pifamoivoizana tsy lavitry ny Campus Oniversiten’ i Toliara, omaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora. Niseho teo amin’ny lalana mihazo an’i Maninday ny loza. Ankoatra izay, olona telo hafa matin’ny lozam-pifamoivoizana navadiky ny fiarabe, tany Ambilobe, omaly maraina ihany. Olona roa hafa naratra mafy nifandona tamin’ny moto nentiny tetsy Ankadindramamy, omaly, ihany.
Saron’ny polisim-pirenena ny roa lahy ikoizana amin’ny harom-paosy teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Fasanikarana, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny ireo roa lahy kanjo hitan’ny polisy eo anivon’ny kaomisaria CSP5 Mahamasina. Nanararaotra ireo olona mifanisika amin’ny toerana fangalana taxi-be izy roa lahy. Mody misisika miaraka amin’ireo mpandeha izy ireo ary misava ny paosy na kitapon’olona. Natao famotorana ary notazomina vonjimaika any am-ponja.




